Mitohy ary vao mainka nihatsara aza ny fiaraha-miasa amin'ny firenena Indonezianina eo amin'ny fampiroboroboana ny fambolena ka voakasika manokana amin’izany ny voly soja.
Eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin'ny Indianina ka nametrahana ny «Centre de Dialyse» ao amin'ny hopitaly atsimo hitsaboana ireo marary voa. Matotra ny fiaraha-miasa amin'ny Anglisy, Frantsay sy ny Sinoa izay vao hanomboka satria hisy ny orinasa hamokatra hoditra hitsangana ao Antsirabe. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fiaraha-miasa vaovao hiarahana amin'ny firenena Norvezianina ka hisy ny orinasa hanao fanorenana trano amin'ny vidiny mirary izay hamokatra akora mora vidy nefa mafy. Nizotra araka ny namaritana azy ny fananganana ilay rantsan'ny Oniversiten'Antananarivo ao Antsirabe ka efa mianatra ny mpianatra amin'izao fotoana. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonana nataon’ny lehiben'ny Faritra Vakinankaratra, Atoa Randriamasimanana Samuel Berthin tamin'ireo solontenan'ny vahoaka nahitana Ben'ny tanàna, mpitantana ny Fokontany sy ireo mpitondra sivy sy miaramila rehetra manerana ny faritra ny zoma 31 janoary 2014. Na izany aza dia nambaran’ny lehiben'ny Faritra fa mbola ezaka mitohy ny fampandriana fahalemana ny Faritra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.