Faritra Atsinanana

> Hatao rahampitso ny famindram-pitantanana


  • Talata 26 Novambra 2013

Ny alakamisy nivoahan’ny didim-panjakana nanendry ireo lehiben’ny Faritra vaovao ka anisan’izany ny teo anivon’ny Faritra Atsinanana, dia efa raikitra ny dom-bera teo amin’ireo ekipan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana vao notendrena sy ireo nanosika azy tamin’izany toerana izany.

Tsy nitsahatra hatreo anefa ny raharaha fa tsy maintsy hafainganina miaraka amin’izany koa ny famindram-pitantanana, ka herinandro taorian’ny fanendrena natao azy, izany hoe ny alarobia izao amin’ny 10ora maraina ny famindram-pitantanana eo amin’Atoa Mahambina Alain nesorina sy Atoa Talata Michel vao notendrena. Fantatra fa efa namoaka didim-pitondram-paritra Atoa Mahavimbina Alain mandrava ny kabinetrany sy ireo mpanolotsainy ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Efa nisy koa ny fihaonana manokana teo amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izay nisaoran’izy ireo ny fiarahana hatramin’ny volana jona 2009 nametrahana azy ho lehiben’ny Faritra Atsinanana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT