Mivoatra hatrany ilay fifandroritana politika ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Vao mainka aza mafana, satria samy miaro tena ireo voakasika.
Noho io raharaha io dia niakatra eto an-drenivohitra nitondra fanampim-panazavana mikasika ny vaovao mahoraka ao Analanjirofo ity ny Talem-paritry ny fitsinjaram-pahefana, Atoa Vonjy Herison Serge Fabrice omaly. Nambaran’ity farany fa nametra-pialana tamin-kitsim-po tsy ho mambran’ny kabinetra izy ireo fa tsy nesorina araka ny filazan’ny Lehiben’ny Faritra sy ny talen’ny kabinetrany akory, satria na dia hatramin’ny omaly aza dia tsy mbola tonga teo am-pelatanany akory ny taratasy fanalana azy tsy ho mpiasa intsony eo anivon’ny Faritra raha nesorina araka ny filazan’ny Lehiben’ny Faritra izy. Raha ny filazan’ny lehiben’ny Faritra moa dia noho i Vonjy Herison Serge Fabrice kandida ho solombavambahoaka farany teo no antony nanesorana azy. Teo ihany koa ny nanohanany manokana ny dokotera Robinson Jean Louis tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo izay nambaran’i Vonjy Herison Serge Fabrice fa safidiny manokana izany ka tsy tokony hijerena tavan’olona na hankahalana ny hafa. Mbola nahitsin’ity farany ihany koa ny resaka naely fa nanao tsindry amin’ny fampiasana fahefam-panjakana no nanalana ireo mambran’ny kabinetra sasantsasany izay notsindriany fa afaka mitondra porofo izay manana mba hisehoan’ny tena marina tokoa. Novantanin’i Vonjy Herison Serge moa fa noho ny tsy fisian’ny zava-bita eo anivon’ny Faritra no antony nijanonany fa tsy resaka hafa akory.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.