Faritra Alaotra

> Mirongatra ny asan-jiolahy


  • Sabotsy 25 Janoary 2014

Raha variana amin’ny famindram-pahefana sy fianianana ny mpitondra fanjakana ambony, manohy ny asa ratsiny hatrany kosa ny jiolahy any Ambatondrazaka.

Vaky trano atsy, vaky vala eroa, izay no zavatra manjo ny vahoaka any Alaotra amin’izao vanim-potoanan’ny maitso ahitra izao. Tsy mifidy fotoana na olona anaovan-dratsy amin’izany ireo jiolahy fa na amin’ny antoandro be nanahary izao aza dia tamy izy mibata izay azony alaina. Ny zanabohitra Ambohimiangaly sy Tanambao no tena malaza amin’io vaky trano io ary efa nitondra faisana tamin’izany ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro. Ireo Fokontany somary manalavitra ny renivohitry ny Kaominina dia lasibatra matetika amin’ny vaky vala. Mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo jiolahy amin’izany ka tsy sahy misambotra ireo jiolahy ny Fokonolona. Manao ezaka lehibe ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanarahan-dia sy ny fametrahana paikady manokana hamongorana io asan-jiolahy io fa saingy ny olon-dratsy mihitsy no tsy kely lalana. Miandrandra vahaolana mahomby ny mponina any Alaotra, mba hiadanana ao anatin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Rehefa volana janoary hatramin’ny martsa any Alaotra dia masiaka ny jiolahy ka mila fandraisana andraikitra matotra eo anivon’ny rehetra.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT