Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona raha ny tao Antsirabe.
Niezaka nifaly ny olona na dia hita sy tsikaritra aza ny fiantraikan’ny krizy isam-baravarana. Nangingina ihany ny fety tamin’ny ankapobeny ary vitsy ny mpanjifa ireo tolotra maro samihafa nomanin’ireo mpikarakara marobe tao an-toerana. Tsikaritra izany nandritra ilay hetsika «Vakinankaratra mifety», nanoloana ny gara izay nifandrombonan’ireo mpanakanto malaza toa an-dry Mami Bastà, Kamary ary Bapasy izay niezaka nanao izay ho afany tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpijery, saingy tsikaritra ho nihena ny mpijery raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa. Teo aloha ny ora-nikija tsy nahafahan’ny maro nivoaka ny trano.
Fa maro koa ny hetsika tany anaty efitrano filanonana samihafa tany toy ny tao amin’ny hotely Diamant izay nahitana an’i Princio. Tsikaritra ny fahavitsian’ny olona tamin’ireny lanonana ireny ka izay no ilazana fa angamba vokatry ny krizy dia miezaka mifehy tena ny maro hitsinjovana ny volana janoary izay matetika maozatra ny famitana ny iray volana. Ny fandriampahalemana dia ny harom-paosy no tena niseho nandritra iny faramparan’ny taona iny ary nahatrarana olona maromaro saingy rehefa vita fanadihadiana dia navotsotry ny polisy rehefa dila ny fotoana nitazonana azy.
Tsikaritra koa fa nihena ireo fidirana hopitaly vokatry ny hamamoana tao Antsirabe. Olona iray no matin’ny toaka tao amin’ny hopitaly Andranomadio ary 10 no ratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana iny faran’ny taona iny. Raha ny tao amin’ny hopitaly Atsimo indray, tamin’ireo narary 31 niditra tao nandritra ny faran’ny taona dia 06 no narary vokatry ny fisotroan-toaka, 01 tratry ny lozam-pifamoivoizana ary 02 no maty ary zaza 07 taona iray no naratra noho ny tandrevaka tany an-tokatranno io faran’ny taona io. Nanambara ny tomponandraikitra mpiandry raharaha tany amin’ireny sampana mpamonjy voina ireny fa dia nilamina ny fety ary dia nety tamin’izy ireo ny asany iny faran’ny taona iny.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.