Tsy nifandrenesana ny tabataba nandritra ny faradoboky ny fampielezan-kevitra tao Antsirabe ny omaly 18 desambra. Saika nanomana karnavaly na diabe avokoa ireo kandidà samihafa, ka dia nifanjevo eran’ny tanàna izy ireo sy ny mpanohana azy avy.
Na izany aza dia nilamina ny fifanenana teny an-dalana ary hita ho samy mifampikopakopa-tanana ireo mpifaninana rehefa mifanena. Ny tsikaritra dia hita ihany ireo be mpanohana sy ny zara raha mba misy mpanaraka mandritra ny diabe. Tetsy an-daniny, nisy ireo nisafidy ny naka mpanakanto toa an’ny kandidà Razanakolona Paul izay naka an’i Princio sy Samoela mihitsy ka tao amin’ny kianjan’i Karmaly no nifampitaona tamin’ireo tanora voasarika tamin’izany. Ny kandidàn’ny movansy Ravalomanana, Michel Ambalavato indray dia toerana roa no nanaovany faradoboka izay nampiasana ilay helikoptera manokana avy tamin’i Dada Ravalomanana dia ny Fokontany Antsongo sy ny Fokontany Fiadanana izany. Raha ity hetsika farany ity dia nangorom-potsy tanteraka ny kianja na tsy nisy artista malaza nanafana ny fotoana akory fa dia niandry am-pilaminana ireo vahoaka marobe hihaona amin’ny mpitarika. Tamin’ny ankapobeny dia tsy nisy ny fifandonana na teo aza ny tranga nampalahelo toy ny tora-bato nahazo ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana ka ny irariana dia hizoran’ny fifidianana am-pilaminana rahampitso zoma 20 desambra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.