Actualités

Faradoboka fanoratana ny “puce” Filaharambe avokoa no hita teny rehetra teny


  • Zoma 01 Jolay 2016

Nifarana omaly alakamisy 30 jona indray rehefa naharitra herinandro maromaro ny fe-potoana nomen’ireo orinasam-pifandraisana telo lehibe efa tranainy eto amintsika mikasika ny tokony hanoratan’ireo mpanjifany tsirairay avy ny puce-ny amin’ny anarany madiodio

 

. Filaharam-be avokoa no hita teny rehetra teny araka izany raha efa nisy tamin’ireo ivontoerana fandraisana ny mpanjifa sasany  mihitsy no tsy nihidy omaly antoandro fa nanohy niasa hatrany. Anisan’ireny ny Shop Telma  etsy Ampefiloha izay mahasarika olona tokoa satria amoron-dalana. Noho ny resaka fotoana amin’ny ankapobeny no  tsy nahafahan’ny ankamaroan’ny mpanjifa nanatanteraka izany hatrany am-piandohana raha toraka izany ihany koa ny firongatry ny fivarotana puce teny amoron-dalana. Amin’ny ankapobeny anefa dia hiankinan’ny fiainan’ny olona maro ny puce, indrindra fa ny contact ka samy niezaka namono fotoana avokoa ny rehetra omaly. Noraisina manontolo ny mombamomba ny tompon’ny puce, araka izay voasoratra ao anaty kara-panondro ary mbola nalaina sary ihany koa avy eo. Raha araka ny fantatra moa  dia mety tsy hisy intsony ny famindram-po ho an’ireo izay tsy nahavita izany omaly.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT