Ny taona 1896 i Madagasikara no babon’ny frantsay.
Lasa zanatany frantsay moa no nentin’ny tantaram-pirenena nilazàna azy hatramin’izay. 130 taona katroka izany izay no lasa saingy rehefa iverenana ny tranga rehetra hatramin’ny nialohan’izany dia takaitra maherin’izay 130 taona izay, araka izany, no mila tsaboina eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao raha tena tiana tokoa ny hahatongavana amin’ny antsoina hoe tena fanovàna marina an’i Madagasikara fa tsy hoe ny nanomboka teo amin’ny taona 2002 fotsiny. Tsy vao omalin’io taona 1896 io tsinona ny frantsay no nikasa sy namolavola planina hahatongavany tamin’izay fibodoana firenen-kafa izay. Raha ny mikasika an’i Madagasikara manokana izany dia voalazan’ireo rakitsoratra fa tany amin’ny taona 1660 tany ho any dia efa nisy an’izany mpitari-tafika frantsay antsoina hoe Flacourt izany no niezaka nanafika an’iny faritr’i Boeny na nisy ny fanjakàna sakalava iny sy faritra hafa ihany koa saingy resy tosik’ireo tafika malagasy isam-paritra hatrany, izany hoe, tsy vitan’ny frantsay ny nambabo tamin-kery ireo faritra teto amin’ny firenena tamin’izany fotoana izany. Rehefa izany dia voalaza indray taty aoriana, faraparan’ny taona 1800, fa nisy andiana manam-pahaizana toy ireo mpahaivondron’olona na «ethnologue» nivondrona tao amin’ny ORSTOM na «Organisation de recherche scientifique du territoire d’outre mer», izany hoe sampam-pikarohana frantsay io, nasaina nizaha ny kilema isam-paritra teto amin’ity firenena ity. Io rafitra io no nanasokajy ny foko misy eto Madagasikara ho 18 isa ary nametraka ireo fanamarihana miiba na «qualificatif » toy ny hoe «merina malama loha», «betsileo jokotsoriaka», «tandroy fangalarana», «betsimisaraka hakamoana» sy ny tariny rehetra. Taty amin’ny taona 1895, izany hoe, 1 taona talohan’ny naha very ny fahaleovantena malagasy, no fantatra ihany koa fa nitarika an’io sampam-pikarohana io ny mpahaiolona na «anthropologue» antsoina hoe Pirolier, izay iraky ny fanjakàna frantsay hatrany, raha iverenana hatrany ny tantara. Midika izany rehetra izany fa efa nanaovan’ny frantsay fikarohana manokana mihitsy, tsy ilay fanjakàna na firenena malagasy fotsiny, fa ilay olombelona malagasy mihitsy mba tsy ho babony eo amin’ny taniny ihany fa ho babony ara-tsaina ihany koa ary mbola taratra amin’ny ankamaroan’ny malagasy hatramin’izao moa izany. Eo ny rafitra tsy mety miala amin’ny teny frantsay hatreto fa eo ihany koa ireo zanaka malagasy, indrindra, rehefa monina any Frantsa sy departemanta frantsay izay tsy mampiasa teny malagasy intsony ary misy tsy ampianarin’ny ray aman-dreniny ilay tena tenim-pireneny mihitsy aza. Iza nefa no malagasy tsy miaiky hatramin’izao fa mbola zanatany na hoe babo amin’ny endriny vaovao ity firenena ity?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.