Fanolanana tambabe

> Zanaka kaomisera naolana zanaka kolonely sy ireo namany


  • Talata 07 Janoary 2014

Nitrangana fanolanana tambabe tao Barikadimy ny 31 desambra 2013 teo, nandritra ny fiandrasana ny taona vaovao.

Araka ny loharanom-baovao dia samy mpianatra avy any Toliara ilay tovovavy voaolana sy ireo telo lahy nanao tambabe taminy. Mbola io loharanom-baovao io ihany no nanambara fa zanaka kaomisera ilay tovovavy voaolana ary zanaka kolonely kosa ny iray amin’ireo tovolahy nanolana, izay voalaza fa nitarika izao heloka be vava nitranga izao. Re fa mitady hanamora sy hanao fifanarahana ary hanery ny ray aman-drenin’ilay tovovavy voaolana ingahy kolonely sy ny fianakaviany ary mpanao politika fanta-daza avy ao Toliara, nefa tsy manaiky hatramin’ny farany ny fianakavian’ilay tovovavy voaolana sy ny rainy izay kaomisera. Hatreto anefa dia tovolahy iray amin’ireo telo nanolana no saron’ny polisy ary nanaovana fanadihadiana. Mbola ifampitadiavana fa nitsoaka mitady fiarovana kosa ireo roa ambiny ka zanak’ilay kolonely ny iray amin’izy ireo. Ankoatra izay, tsy vitan’ny mpanolana ireto tovolahy ireto fa mbola mpifoka rongony ihany koa. Nisy fonosana rongony tratra tany amin’ilay iraikalahy voasambotra. Mpisoloky volan’olona ihany koa ry zalahy ireto. Hiakatra fampanoavana ny raharaha. Mitohy koa ny fikarohana ataon’ny polisy ireo roalahy naman’ilay voasambotra.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT