Actualités

Fanohanana ireo zokiolona ao Ambositra Nitondra ny anjara birikiny ny CT Raharimalala Lydia


  • Zoma 03 Febroary 2012

Tsy diso anjara fa nanamarika ny fety fahatratrarana ny taona vaovao 2012 ireo zokiolona ao Ambositra izay miankina amin’ny fiadidiam-paritry ny Ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy ao Amoron’i Mania.

 Nahatratra roan-jato ireo zokiolona mpikambana sy nanao latsakemboka no nahazo fanampiana maro toy ny vola sy vary avy amin’ireo malalatanana. Niavaka ny hetsika natao tamin’ity taona ity satria tsy ny Ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy ihany no nanohana azy ireo fa nirotsaka an-tsehatra ireo Parlemanta zanaky ny Faritra sy ireo zanaka ampielezana. Anisan’izany ny CT Raharimalala Lydia tonga tany Ambositra nanolotra ny anjara birikiny. Nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Kôngresy ny tetezamita ity fa tsy toeram-boninahitra ny maha-Parlemantera fa toeran’andraikitra ka nisy ny fanolorany vary sy lelavola ho an’ireo zokiolona. Fanehoana firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny samy zokiolona no anton’ny hetsika fanao isan-taona toy izao, hoy ny Talem-paritry ny Mponina sy ny raharaha sosialy ao Amoron’i Mania. Tsy nohadinoiny, araka izany, ny nisaotra ireo malalatanana rehetra nanome fanampiana ireo zokiolona. Tokony ho modelin’ny fiarahamonina ireto zokiolona ireto, hoy ireo rehetra nandaha-teny ka ho an’ny CT Raharimalala Lydia manokana dia sady nanamarihany ny tsingerintaona faharoa nijoroan’ny antoko MDM tao Amoron’i Mania ny fandalovany tao Ambositra amin’ny maha mpikambana MDM azy ao amin’ny Kongresy. Nohamafisiny hatrany fa ny fampandrosoana ara-tsosialy toy izao ataony izao no tokony hataon’ny mpanao politika ho modely.
Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT