Ilaina ny fisian’ny fifampiresahana matotra sady mitondra ho amin’ny asa mivaingana, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly nandritra ny fihaonana teo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana teny Iavoloha.
Tsy mbola misy vokatra misongadina azo tsapain-tanana mantsy hatreto ny eo amin’ny roa tonta ka izay no ilana fifampiresahana sy fifampidinihana. Avokavoky ny fampandrosoana ny firenena ny sehatra tsy miankina. Misimisy ihany anefa ireo mpandraharaha Malagasy velon-taraina noho ny vesatra mahazo azy ireo eo amin’ny lafiny hetra, fahazoana famatsiam-bola any amin’ny banky sy ny angovo, ohatra. Tsy misy ny fahagagana, hoy ny filoham-pirenena. Nanome toky kosa izy fa apetraka ny sehatra hahafahan’ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina miara-miasa tsara kokoa hatrany. Lohahevitra noresahana nandritra izao fihaonana teny Iavoloha izao ny fananganana sehatra fifanakalozana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina momba ny agri-business, ny fandoavan’ny fanjakana ny vola avy amin’ny TVA ho an’ireo orinasa, ny ady amin’ny kolikoly, ny fampiroboroboana ny fizahantany. Niantso ny fanjakana mba hikaroka vahaolana momba ny sehatr’asa tsy manara-dalàna, ady amin’ny fifaninanana tsy ara-drariny ary ny fametrahana fomba fiasa handraisan’ny rehetra anjara ny sehatra tsy miankina. Mila vina lavitrezaka sy tetikasa matotra atao faka iaingany amin’ny fandrosoany i Madagasikara, hoy ny filoha Rajaonarimampianina. Nosinganiny manokana ny fananganana fotodrafitrasa fampiroboroboana ny fambolena, fitrandrahana ny resaka angovo, fanajariana ireo faritra manodidina an’Antananarivo Renivohitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.