Niarahaba ny vahoaka Malagasy noho ny nandraisany anjara tam-pitoniana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka teo ambany fanaraha-mason’ny Firenena Mikambana ny 20 desambra lasa teo ny fanjakana Amerikana tamin’ny alalan’ny fanambarana navoaky ny masoivohony eto amintsika, omaly.
Miara-manantena amin’ny vahoaka Malagasy i Etazonia fa ireo fifidianana ireo no hanamarika ny fiverenan’ny fitondrana demokratika eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Mampirisika ny manampahefana Malagasy i Etazonia mba hanao izay ahazoana antoka fa mizotra amin’ny fomba mirindra ny fanisam-bato ary hamoaka vokatra azo itokisana.
Manainga ny lafin-kery Malagasy voakasika rehetra ihany koa i Etazonia mba hiara-hientana hamerenana ny fanjakana tan-dalàna, hiantoka ny fampiharana ireo zon’olombelona fototra, ary hiara-hiasa ao anatin’ny fampihavanana mba hamerenana amin’ny laoniny ny fiainana ara-politika sy ny fahasalamana ara-toekaren’ny firenena, ary hanomboka hanatsara ny fiainan’ny mponina rehetra. Mijoro eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany i Etazonia, ary mbola mitàna ny toerana maha-mpanatsy vola mivantana lehibe indrindra azy, satria saika nahatratra 60 tapitrisa dolara ny sandan’ny fanampiana natolony nandritra ny taom-piasana 2013, izay nafantoka indrindra tamin’ny fandaharana maro teo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fahatomombanana ara-tsakafo, hoy ny fanambarana nampatsiahy. Nanamarika mazava tsara ny fanjakana Amerikana fa na dia nolaviny aza ny tsy fananan’ireo nihazona ny fitondrana fototra ara-demokratika, dia ekeny kosa ary ezahinay fenoina ireo zavatra tena ilain’ny vahoaka Malagasy andavanandro amin’ny maha-olombelona azy.
Momba ny fifidianana tamin’ny 20 desambra lasa teo kosa, dia fantatra fa notohanan’ny Governemanta Amerikana ara-bola ny fandraisana anjaran’ireo mpanaramaso fifidianana iraisam-pirenena avy tamin’ny Carter Center, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana sady mahaleotena. Ny Carter Center moa dia miara-miasa amin’ny Electoral Institute for Sustainable Democracy in Africa (EISA) mba hanaraha-maso ny zavatra rehetra mahakasika ny fifidianana ary handinihana ifotony ny tontolo ara-politika manodidina izany, ary ny fomba fanatontosana ny fanisam-bato sy fandravonana ny kajy rehetra. Midika izany fa tena hanara-maso akaiky ny fanisam-bato ny fanangonana ny vokatra ary ny fanaovana ny kajikajy rehetra mialoha ny hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy ny Amerikana mba hananany toky fa ny safidim-bahoaka tao anaty vata fandatsaham-bato marina no hivoaka eo. Farany dia tsara ho marihana fa tamin’ny 2002 dia efa nanara-maso ny fampitahana ny firaiketana an-tsoratra na ny PV ny Amerikana, izay vao nanaiky fa voafidy tamin’ny fihodinana voalohany i Marc Ravalomanana. Mahatadidy tsara izany Atoa Rakotoarisoa Florent minisitry ny atitany sady ministry ny fitsarana amin’izao fotoana satria mpikambana tao amin’ny HCC izy tamin’ny 2002.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.