Tapitra tamin’ny 12 septambra teo ny fanaovana fanambarana ireo tahirina andramena teto amintsika, araka ny didy hitsivolana navoakan’ny FAT. Ho an’i Toamasina dia miisa 3.095 ireo andramena efa voageja nanaovana fizahana ireo, izay miparitaka amin’ny toerana maro, toy ny eo anivon’ny DREF, Jenia miaramila ary ireo magazay nanaovana “PV de séquestres” niarahan’ny DREF Atsinanana sy ny tompony tsy nanara-dalàna. Ankilan’izay, mpandraharaha 06 no nahavita tao anatin’ny fotoana ara-dalàna nanao ny fampahafantarana ny tahirin’andramenany. Raha nisaina ireo hazo sarobidy ireo dia nahatratra 8.851. Mbola nahitana “baguettes” (karazana hazo fihinana fahita any Azia) miisa 54.400 koa tao anatin’ireto fampahafantarana tao Toamasina ireto. Dingana voalohany no vita izao, ny dingana manaraka kosa dia ny fidinana ifotony ataon’ny komity manokana, hanamarina ny fanambarana nataon’ireo mpandraharaha ireto.
Ankoatra izay, milaza ny fomba fijeriny ny mpiasan’ny ladoany sasantsany ao Toamasina mahakasika ity resaka andramena ity. Nahagaga azy ireo ny fametrahana ny heloka rehetra eo an-tsorok’izy ireo isaka izay lasa any ampitan-dranomasina ireo andramena, ka nilazany fa “tsy manana andramena maniry ka azo tapahana i Toamasina I na Toamasina II. Lavitra ny toerana iaingan’ireo andramena ireo, nefa tafavoaka tsy misy raorao na amin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-5, nefa zavon-tany ireo mpitandro ny filaminana misava izay ifandimbiasan’ny zandary sy ny polisy”. Ho an’ireto mpiasan’ny ladoany ireto dia “tsy vahaolana ny fanaovana izao hetsika izao, satria mbola hanome vahana ny mpanao bizina amin’ity andramena ity ihany atsy ho atsy. Ny fanarahana ny lalàna ihany no vahaolana tsara, ka izay vandana dia kary avy hatrany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.