Hiroso amin’ny fanisam-bahoaka i Madagasikara amin’ity taona 2014 ity, raha efa tamin’ny taona 1993 no nisy izany farany, izany hoe 21 taona lasa izay.
Ny hanana antontanisa mazava mikasika ny isan’ny mponina sy ny fitombon’ny mponina moa no anisan’ny tanjona amin’ny fanaovana fanisam-bahoaka. Tombatombana fotsiny no iainana ankehitriny hoe miisa 22 tapitrisa eo ny Malagasy. Ilain’ny mpahay toekarena, indrindra ny mpitondra, ny manana ny antontanisa marina mba ahafahany manana vina sy mandrafitra fandaharan’asa mifandraika amin’ny zava-misy. Amin’ny ankapobeny dia isaky ny folo taona no fanaovana fanisam-bahoaka. Mila vola be sy olona ary fitaovana anefa ny fanatanterahana izany, ary eo mazana no sakana. Amin’ity manaraka ity, dia 60 lavitrisa Ariary eo ny vola ilaina. Vonona hamatsy hatrany amin’ny 12 lavitrisa Ariary amin’izany ny Vondrona Eoropeanina, saingy miandry ny fijoroan’ny fitondrana voafidim-bahoaka ara-dalàna izy ireo vao tena hamoaka ny vola.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.