Actualités

Fangaron-daoka, saribao Nifampitadiavana omaly


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Nafotaka ny fitadiavana ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy sakafo omaly teny an-tsena.

 Tamin’ny ankapobeny mantsy dia saika tsy nivonona sy niomana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna avokoa ny isan-tokantrano, efa tsy fahazarantsika eto an-drenivohitra rahateo izany. Nifanohitra tamin’ny mahazatra anefa ny zava-nisy tamin’ity indray mitoraka ity. Taorian’ny filazana nataon’ny teny anivon’ny fitondrana FAT fa andro tsy iasana sady tsy ianarana ny andro omaly noho ny toetr’andro dia tsy nisy namoha ny tsenany avokoa ny ankamaroan’ny mpivarotra ny maraina. Tsy nitsaha-nikija rahateo ny ranon’orana. Toraka izay ihany koa ny taksibe. Azo nisaina tamin’ny ratsan-tanana ireo mbola nanohy ny asany toy ny mahazatra ihany. Ny tena tsy nampino dia ny tsy fisian’ireo tantsaha mpamokatra tonga nanatitra ny vokany teny Anosibe sy ny tsenan’ny tantsaha teny Anosizato Atsinanana anisan’ny toerana fivarotana sakafo manta mamatsy an’Antananarivo Renivohitra. Niveri-maina ny ankamaroan’ireo mpivarotra anana sy voatabia eny amin’ireo tsena maro samihafa eto an-drenivohitra noho izany, antony niteraka ny fitadiavana ireo karazana sakafo maro samihafa nilaina. Tsy nisy afa-tsy anana ihany no hita teny Andranonahoatra Itaosy teny ary mpivarotra tokana no nivarotra izany. Teo amin’ny efatra teo kosa ireo tsenakely mba nivoha ka nifandrombahana ny labozia sy ny menaka ary ny siramamy… Ny fividianana saribao moa dia tena nafotaka tokoa. Mpivarotra iray ihany no namoha ny tsenany teny Andranonahoatra. Ankoatra izay dia tsy nahita olona nifamezivezy firy teny amin’ny arabe raha tsy efa folakandro.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT