Samy nanana ny fomba nisantarana ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena miaraka amin’ny solombavambahoaka ireo kandida mirotsaka mifaninana eto amin’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra.
Maro tamin’izy ireo no nisafidy nanokatra ny fotoana tamin’ny fanompoam-pivavahana ny tapak’andro maraina. Nirona tany amin’ny fampiasana irony antsoina hoe “sono-mobile” na fanamafisam-peo mandehandeha mivezivezy eran’ ny tanàna amin’ny alalan’ny antsoantso fandresen-dahatra miantefa mivantana any amin’ny olom-pirenena irony kosa ny maro an’isa nandritra ny andro voalohany izay azo ambara fa tsy naharototra loatra ny manodidina. Tsy nahagaga izany satria andro fiasana ka variana tamin’ireo asa aman-draharaha fanaony andavanandro ny ankamaroan’ny mponina. Mbola azo isain-tanana kosa ireo mpifaninana no nametaka afisy teny amin’ny tabilao natokana ho amin’izany saingy tsikaritra sahady ny fisian’ireo sarina kandida manomboka mipetraka eny amin’ireo toerana voalaza fa voarara amin’izany toy ny eny amin’ireo rindrina maro eto an-drenivohitra. Nanamarika io andro voalohan’ny fampielezan-kevitra io ihany koa ny fanentanana notanterahan’ireo ekipan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita teny amin’ny toerana sasantsasany teto an-drenivohitra. Nilamina tamin’ny ankapobeny ity fanombohana ny fampielezan-kevitra omaly zoma 29 novambra 2013 ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.