Fanelezana vaovao tsy marina

> Vehivavy roa hiakatra fampanoavana


  • Alarobia 13 Novambra 2013



Vehivavy roa no fantatra fa hiakatra fampanoavana anio alarobia noho ny fanelezana vaovao tsy marina tao Antsirabe raha ny nambaran’ny lehiben’ny Borigadin’ny zandarimaria Andranomadio, ny Adjidà sefo Rakotondrafaramalala Jean Landry. Notsahiviny fa nisy ny tranga iray izay niteraka savorovoro ka saika niafara tamina fitsaram-bahoaka tao amin’ny Fokontany Verezambola, Kaominina Antsirabe voalohany momba ny resaka hala-jaza vokatry ny tsaho naelin’ireto vehivavy roa ireto. Nisy, hoy izy, ny olona voalaza fa nanao izany hala-jaza izay kanefa tsy nitombina ilay izy ary ny mpitandro filaminana indray no saika niharan’ny hatezeran’ny olona. Nosamborina ireto vehivavy roa fototry ny olana ireto ka izao hiafara amin’ny fampiakarana azy any amin’ny fitsarana izao.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT