Ny alarobia teo no nivoaka ny didy raha ny alatsinainy no natolotry ny polisy nisahana ny fanadihadiana ny fitsarana ireo olona 10 voarohirohy tamin’ny fandrobana ny fitahirizam-bola ka nahavery ny vola iray miliara tao amin’ny oniversiten’i Toliara ny alin’ny 23 oktobra 2013 teo. Olona valo no naiditra am-ponja vonjimaika ka mpiasan’ny oniversite ny efatra, anisan’izany ilay mpizara sy mpitahiry vola sy ilay mpiambina. Ireo telo ambiny kosa nahazo fahafahana vonjimaika, anisan’izany ilay tovolahy avy any Ambovombe Androy. Nomarihan’ny loharanom-baovaon’ny mpitandro filaminana fa mpiasa ao ihany izay rahalahina minisitra teo aloha no atidoha nikotrika ity halatra avo lenta ity. Efa any am-ponja izy amin’izao manampy isa ireo mpihinana mangahazo maina sy mandray ny valin’asany. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ity raharaha mahasarika mpanara-baovao maro ity.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.