Navoakan’ny SPAT nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’izy ireo ny zoma teo, ny marina rehetra mikasika ny fanatsarana ny tanŕnan’i Toamasina izay nafenimpenina tamin’ny vahoaka, indrindra ny mpanao gazety herintaona lasa izay.
“Ny volanay SPAT ny 70%-n’ny fanatsarana sy fanamboarana ny Lapan’ny tanànantsika io, mbola volanay SPAT madiodio ny 100% ny fanaka napetraka tao anatiny taorian’ireny olana teo amin’ny fanjakana sy ny Ambatovy ireny, ary mbola volanay SPAT madiodio ihany koa no lany tamin’ny fanatsarana natao tamin’ilay tany malalaka eo amin’ny Lapan’ny tanàna sy ilay rano mifantsitsitra napetraka ho endriky ny tanàna”. Izay no nambaran’ny tale jeneralin’ny seranantsambon’i Toamasina (SPAT) Atoa Avellin Christian Eddy. Nomarihany anefa fa “tsy nilana dera sy laza izany, fa anisan’ny tanjona napetraka teo anivon’ny seranantsambo ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny tanàna iaraha-miaina sy misy anay ity. Kapitaly ekonomika koa i Toamasina ka ilaina ny fandraisanay anjara ao anatin’izany”. An-kilan’izay dia mbola nambaran’ny SPAT fa volan’ny seranantsambo 100% ihany koa no nanamboarana ireo lalana mirefy 07km latsaka kely nahitana ny “rue de Commerce” Ampasimazava sy ny Bd Ratsimilaho eny amoron-dranomasina ary ireo fanazavana napetraka manamorona ny arabe aminy. Nilaza Atoa Avellin Christian Eddy fa tsy hitsahatra hatreo ny fanatsarana ny tanàna hataon’ny SPAT, satria araka ny fanambin’izy ireo dia tokony hifanaraka amin’ny fiovana hitranga amin’ny fandaharan’asa “SPAT 2035” eo anivon’ny seranantsambo ny tanàna sy ny fotodrafitrasa ao anatiny, efa vonona rahateo ny drafi-pandaminana ny moron-dranomasina efa nasehon’ny SPAT ny Kaominina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.