Nivoaka tamin’ny fahanginany ny minisitry ny polisy teo aloha Organès Rakotomihantarizaka.
Izany dia manoloana ny fanasaziana ny kaomisera Fidèle Rakotonjanahary. Nilaza mazava izy fa manameloka iny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitondra ny polisy iny. Samy nanana ny fandraisany azy ny polisy. Tao no niteny fa alahelon-kanina no dikany. Tao koa ny niteny fa mitombina ary rariny raha mba miaro ny polisy toa azy izy rehefa notsipahin’ny mpitondra io vondrona io amin’izao fotoana ny olony (kaomisera Fidèle). Fa ny tena atahoran’ny maro eo anivon’ny vondron’ny polisy hatrany dia ny mety hihetsehan’ny GIR. Ny antony dia mpirahalahy amin’ny kaomisera Fidèle no mitantana io sampana io.
Tsy fantatra izay mety hatezerany momba izay nihatra tamin’ny zokiny. Efa nandeha rahateo ny feo nandritra ireny fotoana mafana ireny fa mety hanampy ny polisin’ny boriborintany fahadimy ity sampana ity. Mba tsy nisy aloha izany hatreto. Na izany aza anefa dia toa nanafintohina ny maro ny fanalam-baràka nataon’ny tale jeneralin’ny polisy izay sady nanasazy rahateo ny olony ampahibemaso raha noheverina fa efa raharahan-tokantrano no halamina ka mba hampanginina moramora ny raharaha, kanefa dia ny nifanohitra tanteraka tamin’izany no niseho. Mbola samy mihenoheno ny eo anivon’ny polisy izay toa lasa mizara hevitra momba iny tranga iny. Asa izay mety ho fivoaran’izany.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.