Fanaovam-beloma farany an’i Nelson Mandela

> Nisolotena an’i Madagasikara i Marc Ravalomanana


  • Alakamisy 12 Desambra 2013

Nanatrika ny fanaovam-beloma farany an’i Nelson Mandela tao amin’ny kianja FNB ao Soweto, Johannesbourg atsy Afrika Atsimo ny Filoha Marc Ravalomanana ny talata teo.

Nanambara izy fa enin-kaja tokoa raha afaka nisolotena an’i Madagasikara tamin’io fotoana io. “I Nelson Mandela dia olona izay nanafaka ny taniny tamin’ny tsindry hazo lena sy ny fijaliana nandritry ny fotoana maharitra sahala amin’ny mahazo ny firenentsika amin’izao fotoana izao”, hoy izy. “Satria ny firenentsika dia miroso mankany amin’ny fanarenana ny demokrasia, dia tsaroako ny tenin’i Mandela manao hoe: “ Ny atao hoe fahafahana dia tsy midika ho fanapahana ny rojo vy fotsiny, fa ny fahaiza-miaina amin’ny fanajana sy fampiroboroboana ny fahafahan’ny hafa”. Manantena aho fa manokatra pejy vaovao ny firenentsika izay manapaka tanteraka amin’ny ziogan’ny didy jadona ary hampihatra ny fanajana sy ny rariny ho an’ny rehetra”, hoy ny Filoha Ravalomanana talohan’ny niaingany.  Ny Filoha Ravalomanana dia anisan’ny olona nasaina tamin’ity fotoana fanaovam-beloma ity, niaraka tamin’ireo filoham-pirenena hafa toa an’ny Prezida Obama, David Cameron avy amin’ny fanjakana britanika, ny filoha Frantsay François Hollande ary filoha hafa teo amin’ny sivy amby sivy folo teo ho eo. Amin’ny alahady 15 desambra ho avy izao no handevina ity mpitarika malaza ity i Afrika Atsimo, izay fantatra tamin’ny anarana hoe ‘Madiba’.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT