Actualités

Fananganana Pylone Fitoriana miisa 12 no voarain’ny minisitera hatreto


  • Sabotsy 02 Jolay 2016

Fitoriana miisa 12 nanomboka ny taona 2015 no ho mankaty no voarain’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra mikasika ireny fananganana pylone etsy sy eroa eto amintsika ireny.

Faritra maro no voakasik’izany, anisany ny ao Fianarantsoa, Antsirabe…ankoatra ny eto Antananarivo sy ny manodidina izay tena maro an’isa tokoa. Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny minisitera maromaro mivondrona ao anatin’ny Comité Ad’hoc  izay fantatra fa afaka mandray ny fitarainan’ny olona hahafahana mijery ny tena zava-misy marina. Anisan’ireny ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary  ireo teknisianina sy manampahaizana maro. Niara-dalana tamin’ny OMS izy ireo izay nosoloan’ny dokotera Charlotte Ndate tena.   Nambaran’ity farany fa  efa an-taonany maro no nanaovan’ny OMS fanadihadiana sy fikarohana mikasika izany saingy tsy mbola misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamam-bahoaka mihitsy ny « ondes electromagnetiques ». Ny any amin’ny 20 na 30 taona ho avy no tsy fantatra . Mitohy ny fikarohana.  Tsy tokony hisy hoy ny tale jeneraly iray   eo anivon’ny Ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ny filazana fahatany fa nisy olona marary vokatry ny fisian’ny pylone raha tsy  nahazo “certificat médical” manamarika izany avy any  amin’ny dokotera.  Nomarihin’izy ireo ihany koa fa  tsara kokoa ny fisiana pylone maro amina toerana iray toy izay tokana any amin’ny tsy hita maso nefa  manana tanjaka tsy hita pesimpesenina.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT