Actualités

Fanampiana sy fanarenana ny simba Any Vatomandry ny Croix Rouge, nanome helikoptera ny tetikasa Ambatovy


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Samy miezaka amin'ny asa famonjena sy fanampiana ireo olona traboina sy tra-pahasahiranana amin'ny faritra maro manerana ny Nosy ireo sampandraharaha ara-panjakana sy tsy miankina isan-karazany.

 Ho an'ny Croix Rouge Malagasy, ohatra, dia nisy ny ekipa nalefa manokana any Vatomandry sy Brickaville, omaly hariva ihany. Am-perinasa avy hatrany moa izy ireo amin'ity maraina ity, ka tafiditra ao anatin'ny asa maika atao ny fanadiovana ireo rano sy lavadrano mba tsy hahatapaka ny fakana rano fisotro madio. Eo ihany koa ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ireo mponina any an-toerana satria tena haingana ny fihanaky ny areti-mifindra amin'ny vanim-potoana tahaka izao. Ho mariky ny fandraisany anjara amin'ny fanampiana ny fanjakana malagasy ihany koa dia nanome helikoptera iray, ny tetikasa Ambatovy, ka ny BNGRC no hampiasa azy io amin'ireo sidina tsy maintsy atao hijerena ny zava-misy sy ny fitaterana ireo entana maro samihafa any amin'ny toerana saro-dalana. Tsara ho fantatra ihany koa fa mihotsaka ny tany amin'ny toerana maro any amin'ny RN2 mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina.

Tapaka tanteraka ny RN 32 mankany Befandriana Avaratra noho ny fiakaran'ny rano. Maro ihany koa ireo hazo tapaka ka mibahana ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena maro sy amina tanàna maro, araka ny angom-baovao natao, omaly hariva. Samy miezaka mandray andraikitra manarina ny simba amin'ny faritra misy azy moa ny rehetra, ary miantso hatrany ny fitondram-panjakana mba hanafaingana ny fahatongavan'ny fanampiana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT