Actualités

Fanamboaran-dalana Niasa maina ireo Fokonolona tao Emagnobo-Ranomafana


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Niala maina tsy nahazo valin-katsembohana ireo Fokonolona nanamboatra ny lalana mampitohy Fokontany maro ao amin’ny Kaominina Emagnobo-Ranomafana, Distrikan’i Tolagnaro, niarahana tamin’ny FER na Tahiry fikojakojana ny lalana.

 Raha vao manamboatra na mikojakoja lalana mantsy ny any ambanivolo, izay efa zatra ny HIMO dia asa takalo vola na sakafo no mby ao an-tsaina. Tamin’ny resaka nifanaovana tamin’ireo solontenan’ny Fokonolona tany Emagnobo no nahafantarana fa olona niisa 400 avy amin’ny Fokontany Ambahihy sy Emagnobo ireto tsy nahazo valin-katsembohany ireto. Ny Ben’ny tanàna no tondroin’izy ireo fa sakana amin’izany. Nisy, araka ny nambaran’ireto delegasiona ireto, ireo Sefo Fokontany nanohana ny vahoaka tamin’ny fitakiana io valin-kasasarana io saingy fandroahana avy hatrany no setriny. Raisin’ny Fokonolona ho fanamparam-pahefana izany fihetsika izany. Manaitra ny tomponandraikitra izy ireo hijery akaiky ary hamaha izao olana mahazo ny Fokonolona ao Emagnobo Ranomafana izao, akaiky rahateo ny fety.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT