Fanamafisana ny fahaizamanao

> Vehivavy kandidŕ depiote 17 nofanin’ny EISA


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013

Vehivavy kandida ho solombavambahoaka miisa 17 amin’ ireo 25 nilatsaka hofidina avy amina Faritra dimy ka ny efatra amin’ireo ao anatin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha niampy ny Faritra Ihorombe no tonga nanatrika atrikasam-piofanana fanamafisana ny fahaizamanaon’ny vehivavy kandidŕ amin’ny fifidianana depiote ho avy izao, nandritra ny telo andro nifarana ny zoma lasa teo, tao amin’ny “Hotel Amazone” Toliara.

Ny EISA izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny demokrasia aty Afrika no tompon’antoka tamin’ity fampiofanana ity, izay manome lanja hatrany ny vehivavy eo amin’ny miralenta. Fanatevenana ny fahaiza-manaon’izy ireoR00;no tanjona, araka ny voalazan’ny mpikarakara satria andraikitra politika no horaisin’izy ireo manomboka izao.

“Manomboka izao tsy hanaiky lembenana intsony izahay vehivavy amin’ny fifidianana ny 20 desambra izao”, hoy ny kandidà depiote tsy miankina avy ao amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo, natolotry ny Fikambanana MIHANTA (Miezaka Hampandroso ny Tanindrazana), Rtoa Sahondra Solofoniaina Raolijaona. “Hoentinay hiatrika ny fampielezan-kevitra manomboka ny 29 novambra izao ny traikefa sy ny fahalalana azonay tamin’ity atrikasam-piofanana ity”, hoy i Sahondra nanamafy. Ny tanjona amin’ity atrikasa ity dia ny hahamaro ny vehivavy solombavambahoaka eny Tsimbazaza amin’ny fiandohan’io taona 2014. “Tsy ny fizarana vola na fanaovana fafy katrana fitaovana mandalo tsy mahavaly ny filan’ny vahoaka no hahalany depiote, fa foto-kevitra”, hoy Rtoa Sahondra nahitsy fiteny. “Efa mahay misafidy ny olona hitondra sy hisolo vava azy ny vahoaka amin’izao”. Noraisiny ho porofo mitohaka amin’ny tenda ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany farany teo.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT