Nanao tolotanana, hanala fako teto an-drenivohitra ny Dr Robinson Jean Louis, tamin’ny alalan-dRtoa Marcelle Robinson vadiny noho ny fahatsapana fa tandindomin-doza ny vahoaka amin’ity loto sy ny fako miavosa isam-pokontany ity. Ny sabotsy 14 desambra teo no nikasana nanatanterahana io hetsika fanadiovana io, ary kamiao nisy folo no efa vonona hiaraka hahetsika ho amin’izany. Akory anefa ny hagagana fa hatramin’ny ora farany dia nosakanan’ny tompon’andraikitra tsy hiroso amin’izany fanalana fako izany izy ireo, ary baraingo tsy mbola ahenoam-baliny na fanazavana ny antony hoe nahoana ? Asa na fifanandrifian-javatra na inona, fa milaza ny filohan’ny tetezamita nandritra ny fandaharana manokana nanasan’ny fahitalavitra tsy miankina iray azy halina, fa nanampy ny Kaominina hanala fako, ka manome efatra andro izy hampisongadina ny fahadiovana, raha tsy izay dia hanendry PDS vaovao ?
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.