Nihaona tamin’ny delegasionina avy amin’ny fikambanan’ny Frankôfônia (OIF) sy ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) teny Mahazoarivo
omaly ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, ka nifantoka tamin’ny fanajana ny zon’olombelona ny resaka. Manohana ny firosoana amin’ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olobelona na CNIDH ny OIF ary karazana fitsidihana hahafahana mamantatra ny zavatra mbola ilaina hanampiana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fanajana ny zon’olombelona no anton-dian’ireto delegasionina ireto. Atoa Malik Saar talen’ny biraom-paritry ny OIF aty amin’ny ranomasimbe Indianina no mitarika ny delegasionina ary raha fintinina ny resaka dia mampirisika an’i Madagasikara mba hihetsietsika sy hiasa mafy amin’ny fananganana ilay vaomiera mahaleotena momba ny zon’olombelona ny fikambanan’ny Frankôfônia sy ny firenena mikambana ary vonona hanampy sy hizara ny traikefan’izy ireo. Efa voarafitra ny paikady ka andrasana ny firosoan’i Madagasikara amin’ny dingana manaraka dia ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ireo mpikambana ao anatin’ilay vaomiera sy ny fandavorariana ny asa iandraiketany rehetra, hoy Atoa Malik Saar. Tsy adinon’ireto vahiny ireto moa ny nirary fiononana ho an’ny Malagasy noho ilay asa fampihorohoroana nitranga ny 26 jona lasa teo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.