Fanafoanana ny didim-panjakana 2013-593

> Miandry ny tohiny ny rehetra


  • Talata 24 Desambra 2013

Mbola tsy tena mikatona tanteraka ny adihevitra mikasika ny fanafoanana ilay didim-panjakana laharana laharana 2013-593 tamin’ny 06 aogositra 2013.

Vao mainka ary miteraka adihevitra hafa vaovao indray iny fanapahan-kevitra diso aoriana navoakan’ny teo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny alarobia 18 desambra 2013 lasa teo iny. Ny zava-misy mantsy dia efa nampihatra azy io avy hatrany ny teo anivon’ny fahefana mpanatanteraka nandritra ny fampielezan-kevitra izay naharitra 21 andro mialoha ny fandatsaham-bato fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka. Maro noho izany ny fanontaniana apetraky ny olom-pirenena manodidina ity fanapahan-kevitra tara fotoana ity. Ny tena goavana amin’izy ireo ka mila valiny mazava sy hentitra amin’ireo mpikambana ao amin’ny CES dia ny hoe hatraiza ny fampiharana ara-bakiteny iny didim-pitsarana navoakan’izy ireo iny ? Mbola fanontanian’ny fiaraha-monina ihany koa ny hoe naninona no roa andro mialoha ny fifidianana vao naneho hevitra ity rafi-pitsarana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ity ? Dia samy miandry ny rehetra.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT