Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ny fanafihana fiaran’ny tafika sy fiara mpitaritra olona nataon’ny dahalo teo amin’ny sampanan-dalana mampisaraka an'i Berenty sy Beroroha, ny talata 21 jona 2016 teo,
ka nahafatesana olona 31 sy naharatrana 17 hafa. Raha manao fikarohana ireo nahavanon-doza ny zandary, nandefa zandary sy miaramila 50 lahy hanampy amin’ny famerenana ny fampandrian-tany, dia nilaza ny depioten’i Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas fa “efa misy ny ahiahiana” tao ambadik’iny raharaha iny. Ny Lonaky Alimana Rémi, Filoham-boninahitry ny Dinan'ny Zanak'i Mangoky kosa namoaka fanambarana “fiaraha-miory amin’ireo namoy havana sy mirary fahasitranana haingana ho an'ireo naratra tamin'iny fanafihan-dahalo iny” amin'ny anaran'ny FITIBA amin'ny Distrikan'i Betroka, sy ny Dinan'ny Zanak'i Mangoky. Eny, “mety misy antony manokana ary lehibe aminareo nahavanona an'iny fanafihana iny no nahavitanareo azy”, hoy i Alimana Rémi kanefa, “tsy vahaolana ho an'ny fandriampahalemana, ny fifandrafesana sy fifamonoana tahaka izao”. Noho izany, “mitaona anareo izahay, fa soa sady mora ny milamina. Aoka izay, ndao isika hihavana”, hoy hatrany ity filoham-boninahitry ny Dinan'ny Zanak'i Mangoky ity. Miantso ireo Lonaky hitsangana izy hanao ny fomban-dRazana, fa “hijaly ny zaza afara, raha tsy isika izao no mandray ny andraikitra tandrify antsika”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.