Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Miandrivazo, tampon-tanàna ny alakamisy 2 jona tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.
Tao Ampanasana, kartie 5, no nitrangan’ny fanafihana. Lasibatra tamin’izany rangahy Taly, araka ny fiantson’ny olona azy any an-toerana. Zokiolona, to teny ao an-tanàna izy, ary anisan’ny manana omby maro. Mety ho izay hareny izay ve no antony namonoana azy, sa zavatra hafa ? Trano mifefy tamboho no itoerany. Enin-dahy, no voalaza fa nanafika, ka ny telo nirongo basy no niditra fa ny telo niandry taty ivelan’ny tamboho. Tsy nisy alaharo tao anatiny fa nitifitra avy hatrany ireo olon-dratsy, avy eo lasa tsy nitondra na inona na inona. Maty tsy tra-drano tamin’izany ingahy Taly, sahabo ho 65 taona eo. Afa-nitsoaka nanavotr’aina ny zanany roalahy, anisan’ny notadiavin’ireto jiolahy ireto. Miakatra an-tanàn-dehibe ny jiolahy, mandry andriran’antsy ny mponina ao Miandrivazo tampon-tanàna, indrindra fa ireo nitsoaka avy any ambanivolo, mihevitra fa ao an-drenivohitry ny Distrika no mandry fahalemana, kinanjo izao zohin’ny jiolahy izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.