Nirongatra ny fanafihana mitam-basy any amin’iny Distrikan’Antsirabe faharoa iny. Raha ny zava-nitranga ny alin’ny alahady 03 novambra lasa teo dia vao takariva tokony ho tamin’ny 7 ora no nanafihan’ireo jiolahy mpivarotra iray tao Alarobian’Ambatosaonjo.
Nambaran’ny niharam-boina fa teo am-pikarakarana sakafo tao an-dakozia ny tenany no tonga ireo jiolahy ary nanambana basy no sady nitaky ny vola rehetra. Nandà ny tenany ka nodarohan’ireo jiolahy ary notifiriny ny sandriny. Nilaza ho tsy nanam-bola ny tenany ka noteren’ireo jiolahy indray hanoro ny tranona mpivarokena saingy teny an-dalana izy dia niporitsaka ka tsy hitan’ireo jiolahy noho ny andro maizina. Taorian’izay dia niakatra tao amin’ny Fokontanin’i Soanierana, any amin’ny renivohitry ny Kaominina Antananmbao ireo jiolahy ka tokantrano iray hafa indray no notafihiny tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Olona efa-mianaka no tao amin’ity trano ity dia raim-pianakaviana efa zokiolona sy ny zanany vavy ary taizany roa. Nambaran’ireo niharam-boina fa nasian’ireo jiolahy hazo ny lavarangana ka iny no niakarany teny an-davarangana ka tsy re raha tsy efa nisikotra ny varavarana izy ireo. Niakatra tany amin’ny valin-drihana ambony ireo tao an-trano ka tsy hitan’ireo jiolahy ka dia notifirina an-jambany tao ireo tompon-trano. Vokany dia namoy ny ainy ny zazalahy vao 14 taona monja satria voan’ny bala teo amin’ny tratrany, ny iray kosa voatifitra teo amin’ny feny an-kavanana. Raha vao ren’ireo jiolahy moa fa nisy maty dia nitsoaka izy ireo ary tsy naka inona akory. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly atsimo Antsirabe ilay voan’ny bala amin’izao fotoana. Efa nitondra fanampiana ho an’ireo niharam-boina ny CT Randrianantenaina José avy ao Antsirabe faharoa. Velon-taraina tanteraka ireto mponina avy any ambanivohitra ireto fa tsy misy fandriampahalemana intsony any amin’izy ireo fa dia fitaintainan-dava no iainana. Aiza ihany ary ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ity e ?
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.