Magazay iray ao Analamalotra Ambalamanasy antsoina hoe «Bariri» no lasibatry ny jiolahy ny alin’ny 20 janoary nifoha ny 21 janoary 2014 teo tokony tamin’ny roa ora maraina.
Saika lasa tamin’izany ny jirofo 40 lasaka. Miisa valo ireto jiolahy nirongo kalaky iray sy basy «PA» roa. Naratra mafy ny mpiambina noho ny daroka nahazo azy. Na izany aza dia mbola vitany ny niantso ny hery vonjy taitran’ny polisy (FIP) izay tonga avy hatrany raha vao nahazo ny antso notarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Mbola tratra teo an-toerana ilay kamiao namatrarana ireo jirofo niaraka tamin’ny mpamily, ireo jiolahy kosa tafaporitsaka talohan’ny nahatongavan’ny polisy. Efa voatazona eo anivon’ny FIP ilay fiarabe sy ireo jirofo 40 lasaka. Manao ny fanadihadiana ilay mpamily tratra kosa ny eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava hamantarana ny tena atidoha sy ny toerana saika hamarotana ireto jirofo ary ny momba ireto jiolahy afa-nitsoaka. Ankoatra izay, dia nohamafisin’ireo mpitandro ny filaminana fa ny fanaovana ny antso avo haingana ihany no fomba iray entina hanatrarana sy hamongorana ireo jiolahy mpitam-basy ireo. Ilainay ny fiaraha-miasa matotra sy haingana amin’ny fiantsoana anay amin’ny tranga na fanafihana na asan-jiolahy, entintsika hanafay sy hamongotra izao asan-jiolahy izao, hoy hatrany ireto polisy namarana ny antso avo ataony amin’ny fiarahamonina sy ny olona tra-pahavoazana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.