Marisarisa ny sehatry ny fandriampahalemana any amin’iny Faritra Alaotra iny. Dahalo valo lahy no nanafika tokantrano iray tao Bejofo ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina.
Naheno zavatra nidoboka sy naresaka ny mpiambina ilay tanàna ka lasa nijery ny manodidina. Vao nihisaka kely anefa izy dia notsenain’ireo dahalo tamin’ny daroka sy ny tifitra variraraka. Niditra tao an-trano avy hatrany ireo jiolahy ary nandrahona ny tompon-trano sy naka ny entana rehetra. Lasa nisy kotaba teo an-tanàna ka taitra vokatr’izany ny manodidina ka nirodorodo nanenjika ireo olon-dratsy. Vao tonga teo amin’ilay toerana anefa ny Fokonolona dia efa tsy hita ny nanjavonan’ireo olon-dratsy. Ilay mpiambina ny tanàna kosa nentina notsaboina ao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka. Fantatra fa teo amin’ny takibany no tena rotiky ny bala. Mandry andriran’antsy, araka izany, ny mponina ao amin’ny tapany andrefan’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Efa mandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy kely lalana koa ny mpanao ratsy ka ilana fifanomezan-tanana amin’ny rehetra ny famongorana ny asan-jiolahy.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.