Fanafarana solika

> Nihena 5,03% tamin’ny taona 2013


  • Alakamisy 06 Febroary 2014


Raha ny tatitra navoakan’ny SPAT (Société Portuaire Autonome de Toamasina), ny taona nivalona 2013 iny, mikasika ny fanafarana sy fanondranana entana nokirakirain’ireo orinasa roa misahana izany, dia ny SMMC (Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles) mikirakira ny entana misaritaka sy ny MICTSL misahana ireo entana anaty kaontenera, dia nahatratra 100.037 boaty ny kaontenera nokirakiraina izay nahitana fitomboana kaontenera niisa 6.500, ka ny 69.398 tamin’izany ireo no nohafarana raha niisa 14.597 ireo naondrana ary nahatratra 16.042 ireo antsoina hoe “trans-ship”. Nahatratra 126.798 taonina kosa ireo vokatra misaritaka izay nisy fihenana 17,31% raha noharina tamin’ny taona 2012. Ny solika kosa dia nahatratra 517.989,95 taonina ny taona lasa izay nihena 05,03% ihany koa raha noharina tamin’ny taona 2012, nahatratra 546.495,71 taonina. Raha atao amin’ny ankapobeny izany, araka ny tenin’ny Tale jeneralin’ny SPAT Atoa Avellin Christian Eddy dia nanodidina ny 4,5 tapitrisa taonina ireo entana nifamezivezy teo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina ny taona nivalona iny. Ankoatra izay dia nahitana fihenana ihany koa ny sambo noraisin’ny seranantsambo ny taona 2013 lasa iny, tsy nisy afa-tsy 335 izany ny taona 2013 raha 337 ny taona 2012. Raha ireo tarehimarika ireo no jerena dia tsy tokony hanana olana ara-bola mihitsy ny Kaominina sy ny Faritra Atsinanana, satria misy ny hetra alain’izy ireo isaky ny kaontenera nisy entana nohafarana sy naondrana, eo koa ny hetra amin’ireo entana misaritaka izay isaky ny taonina sy isanisany raha fiarakodia, ary ny hetra isaky ny sambo miditra ny seranana. Tsy izany anefa no zava-misy fa mitarain-dava ho tsy misy vola sy tsy nahavita ny asany izy ireo, indrindra fa eo amin’ny karaman’ny mpiasa izay efa fantatra isam-bolana ny vola miala sy tsy maintsy ilaina amin’izany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT