Mahatratra 67 000 ireo ankizy hiatrika ny fanadinana cepe ao amin’ny Dren Anosy izay miparitaka amin’ireo foibem-panadinana 39.
Nanamafy Ingahy Lahiandro Pierrot talen'ny sampandraharaham-paritra nisahana ny fanabeazam-pirenena any Anosy itambaran’ny cisco 3 dia i Tolagnaro, Amboasary Atsimo ary Betroka fa tsy misy tokony tsy hahatanteraka ny fanadinana CEPE hotanterahina anio 5 jolay. Efa tonga any amin ireo toerana hanaovana ny fanadinana ireo fitaovana. Vonona ihany koa ireo mpampianatra. Valo taona ny zandriny indrindra ary 21taona ny zokiny indrindra. Niakatra ny isan'ireo mpiadina raha ampitahaina ny tamin'ny taon-dasa. Mampiavaka ny fanadinana any amin'ny Dren Anosy ny fisian'ireo kilonga roa mpianatra kilemaina, sady moana no marenina (lehilahy). Mpianatra avy ao amin'ny sekoly loterana Ambohimazava ao Tolagnaro renivohitra izy ireo.
Oth
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.