Efa nampiditra ny naotin’ireo mpiadina teto amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra tao anaty solosaina, na ilay antsoina hoe :
« transcription » ireo tompon’andraikitra misahana izany, nanomboka omaly alakamisy, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny CISCO Antananarivo Renivohitra, Rakotondrazafy Ramasy Harisoa. Efa vita ny Alarobia teo avokoa mantsy ny fitsarana ny taratasim-panadinana rehetra raha araka ny fanazavana azo. Na izany aza, tsy mbola fantatra kosa ny fotoana hanatanterahan’izy ireo ny « déliberation », na ny fijerena ny naotin’ireo mpiadina farany ambany azo afahana. Ny taranja lazaolana, tamin’ny ankapobeny no somary nanahirana ny nanome naoty azy, araka ny loharanom-baovao hatrany, fitarainan’ny mpiadina nanomboka tany amin’ny fanadinana andrana CEPE, ka hatrany amin’ny tena fanadinana ofisialy. Na izany aza, fantatra fa nahavelom-bolo avokoa ny taranja hafa ambiny, indrindra ho an’ireo mpiadina nilofo marina tamin’ny fianaran-desona. Mbola mipetraka hatrany moa ny fahataran’ny fivoahan’ny vokatra, raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa, noho ny fampiasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ilay logiciel vaovao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.