Hotanterahina rahampitso talata 5 jona ny fanadinana CEPE amin’ity taona 2016 ity, manerana ny Nosy.
Ny taranja kajy sy ny frantsay amin’ny ankapobeny no mbola tena atahoran’ny mpiadina. Anisan’ny nanamafy izany Rakotomalala Sayan Diary, mpiadina sendra ny gazety Tia Tanindrazana hiatrika ny fanadinana CEPE etsy amin’ny sekolin-dry Masera Itaosy. Na izany aza dia nambarany fa efa voafolany tsara kosa ny lesona toy ny jeografia, ny tantara, ny Science de la vie et de la terre ka tsy mahakivy azy izany. Vonona izy amin’ny ankapobeny na dia misy ihany aza ny tahotra, raha araka ny nambarany. Ho an-dRamatoa Ravakiniana reniny izay marihina fa avy any Fianarantsoa no tonga eto Antananarivo hanatrika ny fanadinan-janany dia efa nanomboka hatramin’ny ela ny fiomanana. Na tsy mifankahita matetika aza mantsy izy mianaka noho ny fitadiavana dia misy hatrany ny fametrapetrahana ny lesona nianaran’i Sayan sy ny famerenana tokony hataony. Notsindriany fa hiavaka kely tsy toy ny mahazatra ny sakafo karakaraina ho an’i Sayan rahampitso ankoatra ny fitafiana vaovao sy mafana izay nanokana ny volakely mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.