Actualités

Fanabeazana fototra Tsy mandia fianarana ny ampahefatry ny zaza Malagasy


  • Zoma 16 Martsa 2012

Misy fiantraikany goavana amin’ny sehatry ny fanabeazana ny krizy politika nanomboka tamin’ny taona 2009.

 Mena avokoa mantsy ny tarehimarika rehetra araka ny fanadihadiana notontosain’ny Unicef. Raha nahatratra 83,3% ny taham-pidirana an-tsekoly eny anivon’ny fanabeazana fototra tamin’ny taona 2005 dia tafidina 73,4% izany tamin’ny 2010, izany hoe nisy fihenany 10% be izao tao anatin’ny 5 taona monja. Tsy vitan’izany fa ny 44,5%-n’ny ankizy ihany no mahavita hatramin’ny farany ny fianarana ambaratonga voalohany. Mahatratra fito hetsy mahery koa ireo zaza Malagasy mitsoaka andaharana hatreo amin’ny kilasy faha-8 (classe de 8ème) no ho midina raha vinain’ny Unicef ho iray tapitrisa eo ho eo kosa ny ankizy tsy mandia fianarana, izany hoe manodidina ny ampahefatry ny zaza Malagasy izany. Ny vokatry ny fanadihadiana momba ny tokantrano teo anelanelan’ny taona 2005 ka hatramin’ny 2010 no fototra niaingana tamin’ny fanatontosana ity fanadihadian’ny Unicef ity. Ireo zaza kamboty, ireo miasa sahady, ireo monina lavitry ny sekoly ary ireo zaza manana fahasembanana no maro amin’ny tsy mahita fianarana. Ny fahasahiranana ara-bolan’ny ray aman-dreny, ny tsy fanomezan’ny sasany lanja ny fanabeazana mihoatra ny asa no anisan’ny antony mahatonga azy. Misy koa anefa ny antony hafa toy ny tsy fahampian’ny sekoly sy ny mpampianatra, ny fahavitsian’ny tolotra ara-panabeazana indrindra any ambanivohitra ary ny halaviran-tany. Tsy mahagaga koa raha eny anivon’ny sekolim-panjakana lavitra ny tanàn-dehibe na amin’ireo tanàna anjakan’ny dahalo no tena ahitana ny taha ambony amin’ny fitsoahana an-daharana.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT