Actualités

Fampitam-baovaon’ny toetr’andro Tsy zaraina amin’ny mponina raha tsy sokirin’ny haino aman-jery


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Fotoana mampiakatra ny rano be ny fijojon’ny ora-madinika tahaka izay niseho teto an-drenivohitra tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, indrindra ny alahady sy alatsinainy ary omaly talata.

 Be ny mponina no nanontany tena ary nifanontany koa hoe : mbola rivodoza inona indray ity miseho ity ? Tsy dia maheno fanazavana matotra avy amin’ny tompon’andraikitra ny vahoaka fa mahalankalana ny tatitra azo ary tamin’ny harivariva omaly vao fantatra fa andiana rivotra mahery no mampisy ora-mikija eto amintsika ankehitriny. Dia ny fiheboheboana amin’ny fanangonana fanampiana ho an’ny traboina sy fanaterana izany any amin’izy ireo (izay heverina fa tokony hatao tokoa ary tsy hita iza maharatsy azy), izay ihany ve no tena andraikitry ny BGNRC ? Fa ahoana ny amin’ny fanentanana ny vahoaka amin’ny loza ho avy, lndrindra ny fampilazana azy tsy tapaka amin’ny haino aman-jery fa izao sy izao no mahazo antsika ankehitriny ?

Tsy tafiditra anaty fandaharan’asa ve izany ? Ny foibe mpamantatra ny toetr’andro tsy ahazoana vaovao raha tsy sokirina amin’ny alalan’ny telefaonina na hatonina mivantana eny Ampandrianomby. Tsy mba manana tetibola hampitana vaovao tsy tapaka amin’ireo haino aman-jery aman-gazety an-jatony misy eto amintsika ve izy ireo mba hampilamina ny saim-bahoaka amin’izay loza mety hiseho ao anatin’izao krizy efa mihatra aman’aina izao ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT