Tsy tokony hisy olana ny fakana ireny toerana lehibe fanaovan-danonana ireny ho an’ireo mpikarakara lanonana efa za-draharaha eto amintsika.
Rehefa handoavam-bola mantsy ny fampisehoana iray hoy i Andriamampionona Rija avy amin’ny tranom-pamokarana MADAPRO dia matoky ny mpanjifa fa hisy ny filaminana, tsy atahorana ihany koa ny mety hisian’ny faty olona…Lesona azo tsoahina tamin’ireny zava-nitranga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina tamin’ny 26 jona ireny, hoy Andriamampionona Rija ny tokony hanomezana ny mpikarakara matihanina ny lanonana famoriam-bahoaka tahaka ireny. Nanao izay ho afany tokoa ny miaramila saingy hafa ihany ireo efa manana traikefa. Noraisiny ohatra tamin’izany ny lanonana fanokafana ny fetim-pirenena 26 jona izay notanterahina teny amin’ny Coliseum ny 05 Jona lasa teo izay tsiahivina fa tsy nandoavam-bola ihany koa. Nahavariana ny fahasahiana tovolahy miisa valo izay nibata ny teknisianin’ny feo teny ambony sehatra ka nahaverezana tablette… Toraka izany ihany koa ny nanolanana lehilahy miisa valo tovovavy kely iray izay tena fihetsika tsy fampiseho masoandro tokoa. Ho an’ny MADAPRO manokana moa dia ny volana oktobra ho avy izao izy ireo vao hikarakara lanonana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina raha efa mananontanona kosa ny manala azy vita baka ho an’ireo mpikarakara lanonana hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.