Actualités

Fampihorohoroana Nisy nitoraka «cocktail molotov» ny Nalugaru 67ha


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Asa fampihorohoroana avy hatrany no teny am-bavan’ny maro, raha nandre fa nisy nitoraka «cocktail molotov» ny hotely Nalugaru etsy amin’ny 67ha Atsimo.

 Ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady 12 febroary tamin’ny 01 ora maraina no nitrangany. Ilay hotely no nokendrena saingy nentin’ny hamehana angamba ireo mpanao “mission” ka dia tany amin’ireo fiara mijanona eo anoloan’ilay hotely no niantefan’ilay «cocktail molotov». Fiara Toyota 4x4 no lasibatra. Soa fa nalaky voafehin’ireo mpiambina ny afo, ka tsy nitatra ny firehetana raha tsy izany dia zava-doza no niseho. Anisan’ireo hotely mampiantrano ny fihaonan’ireo fikambanana mpomba an’i Marc Ravalomanana ny Nalugaru. Vao ny alin’ny zoma 10 febroary teo izao no nisy hetsika tolotanana, ho fanohanana ny fianakavian’ireo gadra politika natao tao, ary dia nanakoako tamin’izany ireo hira fanohanana an’i Marc Ravalomanana. Mbola tao amin’io toerana io koa no nisamboran’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) tamin-kery ny senatera Naika Eliane ny sabotsy 12 septambra 2009. Noventesina mafy fa ampy izay ny fanakorontanana, ny herisetra… tamin’ny 7 febroary teo. Tsy nivalona akory ny herinandro, ary tsy niherina akory ny andro, dia efa io ny «cocktail molotov». Asa na inona no hisokajiana an’izany ? Misokatra ny fanadihadiana ka dia ho hita eo ihany ny tohiny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT