Fampihavanam-pirenena

> Hanohy ny ezaka efa natombok’i Pr Zafy ny CRN


  • Talata 11 Febroary 2014

Ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert no nanao fitakiana hatrany ny hanaovana fampihavanam-pirenena sy nitaky ny dinan'ny fiarahamonina malagasy hanangana firenena mitandro ny firaisankina hampandrosoana ny rehetra, ka nitsanganan’ny CRN.

Tanjona fototra imatimatesan'ny fiarahamonina ny fananganana fahefam-panjakana afaka miantoka ny zo ara-politika, sosialy, ekonomika ary koltoraly ho an'ny olom-pirenena tsy ankanavaka, ka mba firenena tokana miray ary tsy mifanambaka sy mandry fahalemana no misy eto Madagasikara. Nandritra ny tafa nifanaovan'ny CRN notarihin'i Tabera Radriamanantsoa tamin'ny mpanao gazety teny Mahazoarivo omaly no nilazany fa takian'izy ireo ny fanaovana io fampihavanam-pirenena io amin'ny olona rehetra izay tokony hotarihin'ny filohan'ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Hanohy ny ezaka efa natomboky ny Pr Zafy Albert izy ireo ka nilaza fa ny fitondram-panjakana mahomby dia mitondra mankany amin'ny fampihavanana ny samy Malagasy, ny fiarahamonina, ny taranany, ny vahiny sy izao tontolo izao. Manoloana izany dia manainga ny filoha vaovao ny CRN hanamarina sy hanaporofo mivaingana ilay ambarany mandrakariva ho fampiahavanam-pirenena.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • VAHOAKA AO BONGOLAVA
  • Talata 16 Jona 2026

Mbola miaina delestazy ora 6 isan'andro

  • Rabejean Miarinarivo
  • Talata 16 Jona 2026

«Vita gasy no jifaintsika

  • Mafampana ao Toamasina
  • Talata 16 Jona 2026

Grevy 2 sosona tao anatin’ny iray andro

  • Mandeha ny fotoana!
  • Talata 16 Jona 2026

Vola ny fotoana, hoy ry

  • Mangotraka indray ny delestazy
  • Talata 16 Jona 2026

Hampiasa milina mitroka

  • Fampiroboroboana ny
  • Talata 16 Jona 2026

fambolena sy fiompiana

Hijery ny tohiny
FTT