Fampielezan-kevitra

> Fanaratsiana sisa no enti-miady ho an’ny sasany


  • Alatsinainy 16 Desambra 2013

Ny alarobia izao no hifarana ny fampielezan-kevitra rehetra na ho an’ireo kandida depiote, na ireo kandida filoham-pirenena.

Amin’izao famaramparanana ny fampielezan-kevitra izao anefa, dia nivadika ilay fanentanana ny mpifidy, satria dia lasa fihantsiana sy fifanaratsiana ary fikasana handatsak’aina kandida no mitranga mba entina mandresy lahatra ny mpifidy ny zoma 20 desambra ho avy izao. Raha ny teny amoron-dranomasina Toamasina ny sabotsy hariva teo izao dia raikitra ny famerenana ny tantara politika sy ny tantaran’ny krizy izay niniana nodisoina sy navadika tanteraka. Ny ankamaroan’ireo nandray fitenenana dia samy nanatsara tena sy nihevi-tena ho olo-marina ka nanaratsy sy manafokafoka ny hafa mpifanandrina politika. Ny tantara anefa tsy fanadino sy niainan’ny vahoaka, ka ny mpifidy ihany no afaka hitsara izay tena diso sy ireo nangalatra ary nampitondra fahoriana azy teto, indrindra ireo fototry ny adilahy politika sy mivoy resaka “foko” teto izay manasarotra ny fampihavanam-pirenena. Ny ao Brickaville indray tsy vitan’ny fifanaratsiana intsony ny resaka fa tonga hatramin’ny fikasana hamono ny kandida mihitsy ny kandida sasany. Ankilan’ireo, dia ny sakantsakana atao amin’ireo “tsy kandidam-panjakana” sy “tsy mpiara-dia” amin’izy ireo. Mitaraina avokoa ireo kandida tratr’izany, koa andrasana ny tena fandraisana andraikitr’ireo mpanara-maso ny fifidianana mameno tanàna sy ny CENIT, ary ny fitsarana, amin’izao “jadom-panjakana” izao.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT