Fampielezan-kevitra anaty fahavaratra

> Betsaka ireo kandida malaina manao fampielezan-kevitra


  • Talata 10 Desambra 2013


Somary mampitaraina ireo kandida ho solombavambahoaka any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny ny fanatanterahana fampielezan-kevitra ao anatin’ny vanim-potoana ny fahavaratra. Ny moto no ampiasaina raha te ho any amin’ireo Kaominina saro-dalana. Misy Kaominina efatra amin’ireo roapolo mandrafitra ny Distrikan’Ambatondrazaka no tena saro-dalana. Misy amin’ireo kandida no mihanona fotsiny amin’ny dokambarotra alefa amin’ny onjam-peo. Mametraka olana goavana ho an’ireo kandida ny faharatsian’ny lalana. Raha mitohy ny rotsak’orana any Alaotra, ho betsaka ireo Fokontany sy Kaominina tsy mahita na dia ny sarin’ny kandida fotsiny ihany aza. Raha ny herinandro voalohany iny aloha dia kandida 5 amin’ireo 29 nekena hilatsaka hofidiana ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka no tena mihetsiketsika mafy.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT