Actualités

Fampidirana mpianatra Misy sekoly tsy miankina mampitaraina olona


  • Alarobia 14 Septambra 2011


 Velon-taraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mampiditra ny zanany hianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana iray ao Ambositra noho ny toetra tsy zaka ataon’ny tompon’andraikitra ao. Ambaran’ireo ray aman-dreny efa niharan’izany fa tsy vitan’ny manilikilika sy mitabataba ireo Ray aman-dreny mampiditra mpianatra fotsiny ny tompon’andraikitra ao fa manao kabary tsy valiana ho an’ireo manaraka ny finoana tsy ankasitrahan’ny mpitantana ny sekoly.

Malahelo, araka izany, ireo ray aman-dreny ary mametra-panontaniana hoe sekolim-pinoana toy izao ve dia mahavita toetra tsy mifanaraka amin’ny asa ataony ny mpitantana ao ? Tsy nanome valin-teny mazava anefa ny mpitantana ilay sekoly rehefa nanontaniana ny fisehoan-javatra itarainan’ny olona. Voalazan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa ireo olona manaraka ny finoana ivelan’ny FFKM no misedra fahasahiranana, misy aza tsy voaray ireo mpianatra te-hianatra ao.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT