Actualités

Fampiatoana ny PDS-n’i Toamasina “Tena nanara-dalŕna tsara”, hoy ny mpahay lalŕna


  • Zoma 21 Oktobra 2011

Mbola miteraka adihevitra goavana ao Toamasina ny fanapahan-kevitra noraisin´ireo mpanolotsaina, mampiato amin’ny asany ny PDS Rakotovao Mariot sy ny mpanatanteraka amin´ny asany.

 “Tena nanara-dalàna tsara” ny fomba nitondran´ny mpanolotsaina izany, hoy ny mpahay lalàna nanontaniana mikasika ny raharaha, noho ny fandehan´ny feo be loatra mikasika ny tsy maha ara-dalàna ny fanapahana noraisina iny. Raha ny lalàna mifehy ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana dia milaza mazava fa “manana zo manaisotra sy mampiato ny Ben´ny tanàna na ny mpanatanteraky ny Kaominina ny filankevitra. Tsy maintsy ialohavana kaomisionina manao fanadihadiana sy manao tatitra ny antony fampiatoana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny Filankevitra, ary amin´ny alalan´izany no hanaovana ny fifidianana eo anivon´ny Filankevitra izay tokony hahafeno ny antsasa-manilan´ny mpikambana, ary afaka mitondra safidin´ny mpikambana iray tsy tonga mivory ny mpanolotsaina iray”.

Na azo tanterahina avy hatrany aza ny fanapahana raisin´ny Filankevitra, dia nambaran´ity mpahay lalàna momba ny fitantanan-draharaham-panjakana nanontaniana ity fa “tsy maintsy mbola mandalo ambaratongam-pitondram-panjakana ny fanapahana noraisina, ny Kaominina dia ny ministeran´ny Atitany no misahana azy, ka mbola mandalo ny lehiben´ny Distrika izany ankatoavina araka ny lalàna ary alefa eo anivon´ny ministera mpiahy avy eo ahafahana mamoaka ny fanafoanana ny fanendrena natao satria PDS no resahina eto, ary amoahany didim-panjakana vaovao indray manendry ny ho solony aorian´ny famoahan´ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny fisian´ny fahambangan-toeran´ny lehiben´ny mpanatanteraka”. Nomarihan´ity mpahay lalàna ity ihany fa “tsy afaka ny handa izay tapaky ny Filankevitry ny Kaominina ny ministera, raha hita ny fanarahana ny lalàna nataony tamin´ny fanapahana noraisiny.

Maro Ireo lalàna fakan-tahaka mitovy amin´ity raharaha Kaominin´i Toamasina ity”. Araka ny vaovao fantatra izao dia ny alarobia teo no nitondra ny fanapahan´ny Filankevitra eo anivon´ny ministeran´ny Atitany mivantana ny lehiben´ny Distrikan´i Toamasina I. Efa tonga eo anivon´ny fitsarana “Administratif” ihany koa ny tatitra momba ny fanadihadian´ny kaomisiona manokana nataon´ny filankevitry ny Kaominina. Mbola manohy ny asan´ny lehiben´ny mpanatanteraka izany Atoa Rakotovao Mariot mandra-pivoahan´ireo pitsopitson-dalàna tsy maintsy arahana ireo. Manan-jo hitory koa anefa izy raha tiany. Mbola mikatso ao anatin´izay ny asan´ny Kaominina noho ny fitokonan´ny mpiasa, hatreto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT