Actualités

Fampianarana ambony Misy fahabangam-bola 50 miliara ?


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Feno sorabaventy eny Ankatso, saika amin’ireo toeram-pampianarana rehetra mihitsy.

 Ny votoatiny amin’ny ankapobeny dia milaza fanohanana ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka. Ireto farany izay nampiato ny asa rehetra mahakasika ny fampianarana sy fanadinana ary fanohanana voka-pikarohana nanomboka ny 19 desambra 2011 teo. Mitaky ny fandoavan’ny fanjakana amin’izay ny ora fanampiny, izay zon’izy ireo, ary efa nampanantenaina azy ireo fa haloa, nefa mandrak’ity ny anio tsy voaefa. Mikasika io dia mahoraka eny amin’ny anjerimanontolo eny ankehitriny fa misy ny fahasahiranana ara-bola nateraky ny fanjavonan’ny vola mananika ny 50 miliara ariary ho an’ny fampianarana ambony ka nisy fiantraikany tamin’ny fandoavana io ora fanampiny sy ireo tombontsoa hafa tokony horaisin’ireo mpampianatra mpikaroka. Andrasana ny fanazavana ny fahamarinan’izany fahabangam-bola izany na tsia. Ireo mpampianatra mpikaroka kosa dia nanamafy fa tsy hihemotra amin’ny fitakian’izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT