Fampahalalam-baovao

> Tsy laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra vaovao ?


  • Alatsinainy 27 Janoary 2014

Manan-danja amin’ny zavatra atao manaraka rehetra ny dingana voalohany miseho, hoy ny fiteny vahiny izay. Ho an’ny fiadidiana ny Repoblika vaovao tarihan’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery dia toa tsy mitombina io fomba fijery iray io raha ny zava-nitranga teny amin’ny Lapam-panjakanan’i Iavoloha ny andro voalohany nandraisany fahefana ny sabotsy 25 janoary 2014 lasa teo.

Asa na izay tokoa ilay hoe manavao andraikitra sahanina na ny tsy mbola ao ny fahaizana mifehy fotoana satria na ny fanombohan’ny lanonana ofisialy ny marainan’io andro io teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina aza nisy fahatarana minitra maromaro ihany izay nitarika ny fihemoran’ireo fandaharam-potoana rehetra tokony ho notanterahana teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha ny faran’ny herinandro teo. Azo ambara fa nampiavaka ity fitondrana vaovao ity tokoa ary betsaka ireo nankasitraka ny fandraisana fanapahan-kevitry ny filoha vaovao ho fanomezan-danja ny sehatry ny fampahalalam-baovao tamin’ny fikarakarana ny fihaonany mivantana tamin’ireo mpanao gazety ny sabotsy tolakandro lasa teo saingy indrisy fa tsy tanteraka moa izany noho ny antony fahateren’ny fotoana. Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona tokoa araka ny fomba fitenintsika Malagasy ka hahemotra amin’ny fotoana manaraka ity tafatafa ataon’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery miaraka amin’ny mpikirakira vaovao ity, hoy ny fanambarana nataon’ny minisitry ny serasera vonjimaika, Rahajason Laurent. Ny tsara ho fantatry ny besinimaro anefa dia tena fatiantoka goavana ho an’ny asa fanaovan-gazety izany hoe mitrandraka vaovao nefa tsy nahitam-bokany izany. Ankoatra izay dia niharan’ny tositosika ireo mpanao gazety nanao ny asany teny Mahamasina.  Naherihery fihetsika ireo mpiambina akaiky ny filoha Rajaonarimampianina Hery ka maro ireo mpanao gazety velon-taraina, satria saika simba hatramin’ny fitaovana mihitsy ny an’ny sasany.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT