Actualités

Famotsiam-bola Misy fiangonana sekta anaovana fanadihadiana


  • Zoma 16 Septambra 2011

Nivoitra io nandritra ny fitetezam-paritra tanterahin’ny Sampandraharaha malagasy iadiana amin’ny famontsiam-bola na ny SAMIFIN tao Toliara.

 Nandritra izay telo taona nijoroany izay dia anjaran’i Toliara indray no nanaovan’izy ireo famelabelaran-kevitra nandritra ny roa andro. Lohahevitra maro no nodinihina tamin’izany nanasana ireo mpandraharaha mpiara-miasa aminy sy ireo sehatra voakasik’ity famotsiam-bola ity toy ny banky, ny fitsarana, ny polisy sy ny zandary. Natao izao fitetezana faritra izao mba hampahafantarana amin’ny olona fa misy tokoa sy mijoro izany sampandraharaha miady amin’ny famontsiam-bola izany. Araka nambaran’Atoa Razaranaina Jean Claude, tale jeneralin’ny SAMIFIN dia efa nahitana vokatra izay telo taona nijoroana izay. Amin’izao fotoana mantsy dia misy ireo olona sy fiangonana sekta sasantsasany efa anaovana fanadihadiana ka tsy ho ela dia ho fantatra ny marina amin’izy io.

 

Nangonin-dRahery

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT