Mitohy hatrany ny fampidirana am-ponja polisy taorian'ilay voalaza fa namonoan'izy ireo mpitsara iray tany Toliara ny 9 desambra 2011.
Afak'omaly dia polisy brigadier efatra no natolotra ny Fitsarana. Ny iray amin’ireo dia mpamilin'ny kaomandan'ny FIP any Toliara. Izy dia voalaza fa nijanona tao anatin'ny fiara nentiny foana. Izay no fiarovan-tenany teny amin'ny fitsarana. Araka ny nolazainy dia tsy mahazo miala ao anaty fiara ny polisy rehefa sakoroka tahaka ireny. Izaho, hoy izy, no nitondra ilay mpitsara tany amin'ny hopitaly rehefa nahita azy naratra. Teo no nahazoany fahafahana vonjimaika teo anoloan'ny zokiolon'ny mpitsara mpanao famotorana.
Nisy brigadier hafa koa nahazo fahafahana vonjimaika niaraka taminy. Ny fahatelo dia brigadier iray. Izy ilay manambady mpikambana ao amin'ny CT. Tsy afa-niala ny tenany satria voalaza fa anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fisamborana ilay mpitsara mihitsy. Avy hatrany dia naiditra am-ponja eny Antanimora ity polisy brigadier ity. Nisy iray hafa koa nampidirina am-ponja niaraka aminy. Omaly dia mbola nitohy ny fanolorana ny fitsarana ireo polisy voarohirohy ka manamboninahitra polisy vavy iray indray no natolotra ny Fitsarana, ary dia nampidirina am-ponja eny Antanimora koa io taorian’ny fihainoana azy teny amin’ny Fitsarana.
Solo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.